GENESISY 1.26-28
Andriamanitra no nahary antsika olombelona
Amin’ny finoana araka ny Soratra Masina no ahatakarantsika fa Andriamanitra no nahary antsika ary zava-boahariny isika.
1-Andriamanitra nahary antsika araka ny endriny
Miavaka amin’ny zavatra rehetra noharian’Andriamanitra ny olombelona noho izy nohariana araka ny endrik’Andriamanitra .Ny hevitr’izany dia izao : nohariana mba haneho ny Voninahitr’Andriamanitra isika ka nataony hita taratra eny amimtsika ireo toetran’Andriamanitra toy ny fitiavany,ny fahendreny,ny fahamarinany sy ny fahamasinany , ny heriny Tsitoha.Rehefa mitodika amin’Andriamanitra ny olona dia manana fahafahana hanao ny sitrapony ka manahaka Azy. Ny fifandraisany amin’Andriamanitra no ananany fahafahana hanjaka amin’ny zava-boahary rehetra. Rehefa mitodika any an-kafa kosa izy dia very ny endrik’Andriamanitra ao aminy ka lasa andevon’izay itodihany izy dia ny fahoriana sy ny fahafatesana .Ao amin’i Jesoa Kristy no ahalalantsika ny endrik’Andriamanitra .
2-Andriamanitra nahary ny olona ho lahy sy vavy
Ny fisian’ny namana no fahatanterahan’ny fahatsarana dia ny fananany vady sahaza na mpanampy tandrify . Ny fiaraha-monin’ny lahy sy ny vavy ao amin’ny fanambadiana no anehoan’Andriamanitra ny zava-miafina eo amin’ny fiainan’i Jehovah amin’Israely sy ny firaisan’i Kristy amin’ny fiangonana. Ny fipoiran’ny taranaka avy amin’ny fanambadiana araka an’Andriamanitra dia tonga fitahiana ho an’ny hafa koa. Ny fiangonan’Andriamanitra dia tsy hanaiky na oviana na oviana ny fanambadian’ny samy lahy na samy vavy satria tsy araka ny lamina napetrak’Andriamanitra azy izany .
Fanontaniana :
Inona no heverinao fa mampiavaka ny fanambadiana kristiana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM