Joba 36.26-33

«Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman’ondry koa aza milaza ny hihaviany» (Job 36.33) « Manambara ny fiavian ‘ny orana ny kotroka; ka na ny biby fiompy koa dia mahatsapa izany » (DIEM) Ho avy ny Tompo ! mba fantatrao ve ? Indro lehibe Andriamanitra ka tsy takatry ny saintsika lzy. Fa ny fiaviany kosa dia efa nambarany ombieny ombieny tamintsika. Jesoa no efa nanambara izany mivantana, araka ny voasoratra hoe: «Áry Izy nanao fanoharana taminy hoe : Jereo ny aviavy sy hazo rehetra. Raha hitanareo fa vao manaroka ireo. dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona. Dia tahaka zany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa dia akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. » (Lio 21.29-31).

Famantarana maro no hiseho mialoha ny fiavian’ ny Tompo. Koa samia miomana isika. Tsy ambaka ny biby fiompy isika satria nomen’Andriamanitra fahendrena avy Aminy. Fa saingy variana isika eto amin’ity izao tontolo izao ity. Hajambain ‘ny andriamanitr’ izao tontolo izao isika ka tsy mahita ireny famantarana efa manambara ny fiavian’ny Tompo. Dia tonga ambaka noho ny biby isika. Hoy ny Tompo : «Ho avy faingana Aho, tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao. » (Apok 3.11)

Fanontaniana :

Mba tanisao hoe ireo famantarana efa hitanao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM