1 JAONA 5.1-9
Olona afaka ny kristiana amin’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra
and3 : »fa izao no fitiavana an’ Andriamanitra dia ny hitandremantsika ny didiny sady tsy mavesatra ny didiny «
Jaona Apostolin’iJesoa dia olon’ny fitiavana ka izay mihitsy no nahatonga ity teny ambarany ity ,fa raha te-hampiseho fa tia an’Andriamanitra isika dia mitandrina ny didiny .Raha henoina anefa ny hoe : « didy » di toa manohintohina ny atao hoe fahafahana satria tsy maintsy tanterahana ny didy.Ny didin’Andriamanitra kosa anefa tsy mavesatra satria tsy hoe : « na tiana na tsy tiana « . Mora io rehefa ao am-po ilay fitiavana . Tahaka ny olona iray latsam-pitiavana amin’ny olo-tiany , tanterahany hatrany sitrapon’iny olo-tiany iny na sarotra na mora. Dia toy izany ny didin’iKristy izay sarotra arahana amin’ny tsy kristiana fa mora amin’ny kristiana tena tia Azy .
Ao anaty fahafahana tanteraka no hanatanterahana izany didiny izany ,tsy mavesatra aoa an-tsaina mihitsy . Hoy iPaoly : « Ary izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana » (2 Kor 3.17). Araka izany teny izany ny olona manana ny Fanahy Masina dia manam-pitiavana ary izay tia amin’ izany fitiavana an’ Andriamanitra izany dia olona afaka tanteraka .Raha misy olona milaza ho kristiana mitia an’Andriamanitra sy ny namany ka miteny hoe: « tsy fidiny ahy » dia azo lazaina fa kristiana tsy manana ny Fanahy Masina izany olona izany .
Fanontaniana :
Efa nitia an’Andriamanitra sy ny namana tamin’ny fitandremana ny didiny ve ianao, tsy mahatsapa ho voatery ve ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM