Sabotsy 01 Novambra 2025

by Mofonaina–SA-FJKM

VOLANA NOVAMBRA

MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO.

Sal 33,1-3 / Hira 14 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 242:1.2.5

Nalahelo ny mpianatra rehefa nandre fa handeha Jesoa. Izany no nampaherezany azy ireo ka nilazany fa mbola hiverina indray Izy handray azy ireo. Nomeny toromarika ny mpianatra mba:

    Baiko no nomen’i Jesoa ny mpianatra: « minoa » (and. 1). Toa milaza izany fa tahaka ny tsy mino an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa izy ireto na dia mpianany aza. Ilay tsy finoana ny famonjena atolotr’ Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy no miteraka alahelo ao amin’ny mpianatra. Ny fialan’i Jesoa sy ny hahafatesany dia fahavoazana lehibe eo amin’izy ireo satria ho lasa ilay mpitarika sy mpanao fahagagana. Mba hahatanteraka ny fifaliana amin’ny fiverenany anefa dia mila mitoetra amin’ny finoana marina izy ireo, dia ny fanekena fa i Jesoa, Ilay Zanak’Andriamanitra, hany tokana Tompo sy Mpamonjy. Aoka hitoeran’izany finoana izany ny fo mba tsy ho reraka.

      Eo am-piandrasana ny fiavian’ny Tompo handray ny mpianatra dia mitohy hatrany ny fiainana. Noho izany dia atoron’i Jesoa, taorian’ny fanontanian’i Tomasy, fa Izy ihany no lalana tokana ahatongavana ao amin’Andriamanitra Ray, toerana izay hitondrany ny mpianatra rahatrizay (Jao. 13,16), toerana feno fiadanana, anjakan’ny fitiavana ary tsy ahitana fahoriana intsony. Ny fiombonam-piainana amin’i Jesoa no ahitana ny lala-marina ary ahafantarana ny marina ao amin’ Andriamanitra ka hanana ny tena fiainana izay maharitra mandrakizay. Araka izany, raha vao misaraka amin’i Jesoa isika dia mizotra ho amin’ny fahafatesana. Miaraha lalana mandrakariva amin’i Jesoa araka ny Teniny sy ny fitarihan’ny ny Fanahy Masina.

      Azo antoka ve fa lala-marin’ny finoana izao hizoranao izao?

          Fjkm Filadelfia