VOLANA MARTSA MIANTSO HO AMIN’NY FIBEBAHANA NY TOMPO
Matio 3.1-6
Salamo 95. 1-5 / FFPM 16 / Vavaka / FF 22
Ny olona mibebaka
1. Efa nandre toriteny
« Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.» (and. 2)
Toriteny nataon’i Jaona Mpanao Batisa eraky ny efitr’i Jodia izany. Rehefa nandre izany ny olona dia tonga nanatona azy avy tany Jerosalema sy Samaria ary ny manodidina ny ony Jordana. Niaiky ny fahotany ireo ka nibebaka. Vokatry ny fandrenesan’ny olona ny toritenin’i Jaona Mpanao Batisa no nahatonga ny olona nibebaka. Ny fandrenesan’ny olona ny toriteny no mitarika ho amin’ny fiaikena ny heloka vitany. Ao amin’ny toriteny no ahafantaran’ny olona ny fahadisoany, ary ny fahafantaran’ny olona ny fahadisoany no mitarika azy ho amin’ny fiovam-po handray an’i Jesoa Kristy.
2. Manaiky hatao Batisa
« ka nataony batisa tao amin’ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany. » (And. 6)
Rehefa avy nibebaka noho ny fandrenesana ny toriteny ny olona tany Jerosalema sy Jodia ary ny eraky ny amoron’ny Jordana, dia natao Batisa. Ny Batisa izay marika hita maso anehoana fa efa nibebaka ny olona, mariky ny fidirana ho amin’ny fiainam-baovao indray. Ny fandraisan’ny kristiana ny Sakramentan’ny Batisa dia midika fa efa nibebaka ilay olona. Tombokasen’ny fandaozana ny toetra teo aloha ho amin’ny fiainam-baovao. Ho an’ny kristiana moa, dia marika hita maso maneho ny fananana fiombonana amin’i Kristy ny fandraisana ny Sakramentan’ny Batisa.
Fanontaniana
Firy karazany ny Batisa ao amin’ny Baiboly fantatrao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe