HEVERO NY FIFIDIANAN’NY TOMPO

2 PETERA 1.8-11

Fanontaniana telo no teraka ary valian’ny fanontaniana anio :

1-Inona no hatao mba hananana toe-panahy araka an’Andriamanitra ?

« ny fahalalana tsara an’Andriamanitra sy Jesoa Tompontsika » (and2,3,8) .Intelo miverina io hoe : fahalalana an’Andriamanitra io ary io no fototra hananan’ny olona toe-panahy araka an’Andriamanitra ka hahaizany mitondra tena mifanaraka amin’ny sitrapon’Izy Andriamanitra tsy amin’ny teny ihany fa amin’ny asa koa.

2-Inona no itaomana antsika ?

« Ary amin’izany dia mazotoa kokoa ry rahalahy ,hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo «  (and10) .Raha ny marina dia tena asan’Adriamanitra ny fiantsoana sy fifidianana antsika , ary ny matoanteny ampiasaina rehefa Andriamanitra no miantso sy mifidy fa matoanteny maneho kosa fa rehefa antsoina sy fidin’Andriamanitra ny olona dia anjarany ny mitoetra amin’ny finoana ary tsy miala amin’izany .

3-Inona no tombotsoaan’izay mahavita izany ?

Ambaran’i Petera eto fa izay mampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana azy dia « tsy ho tafitohina akory mandrakizay » (and10b) , izany hoe : afaka mandeha amin’ny làlana mazava ka tsy hanary ny finoana ary tsy hilatsaka amin’ny fahotana ihany koa,mba tsy ho rembin’ny fahafatesana (Rom 6.23) izay andaniny fa ankilany kosa dia « fidirana ho any amin’ny fanjakana mandrakizay izay an’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika » , hoy ihany iPetera ,izany hoe : izay maharitra mitana ny finoany ,mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra dia mizotra malalaka mankany amin’ny fiainana mandrakizay .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM