- Ny Fjkm
- Rindrandamina FJKM
Ny F.J.K.M.
Ny Teny Faneva (2016-2020)
“Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika” (II Tim 1 : 8a)
Ny Birao

Toy izao ireo Birao miasa mandritra ny 4 taona (2016-2020) :
– Filoha : IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi
– Filoha mpanampy : ZARAZAKA Jean Louis
– Filoha mpanampy : RANDRIAMAMONJISOA Georges, Laika,
– Mpitahiry vola : ANDRIANARIVELO Réné Olivier
– Mpanolotsaina ny filoha : ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Mpitandrina
– Mpanolotsaina ny filoha ( Laika) : RAKOTOMANDIMBY Benjamin, Diakona
Voafidy ny Synoda lehibe tany Antsirabe koa ireo Mpiandraikitra Foibe miisa 100 ka 50 Mpitandrina ary 50 Laika.
Notapahin’ny Fivoriambe fa any ANTSIRANANA no hanaovana ny Synoda lehibe faha XIX , amin’ny taona 2020;
Ny fiorenany
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, afohezina amin’ny hoe : « FJKM » dia :
Fehezin’ny hitsivolana laharana faha 62-117 tamin’ny 01 obrobra 1962. Nankatoavin’ny Didy Fanapahana laharana faha-2175 tamin’ny 06 Jolay 1972 izay navoaka tamin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika Malagasy (JORM) tamin’ny 15 Jolay 1972
Ny finoany
Ny FJKM dia mino sy manaiky :
Ny maha-Andriamanitra Tokana ny Ray sy ny zanaka ary ny Fanahy Masina ;
Ny maha-Andriamanitra ny Ray Mpahary izao rehetra izao ;
Ny maha-Andriamanitra tonga nofo an’i Jesoa Kristy Tompo Mpamonjy izao tontolo izao :
Ny maha-Andriamanitra ny Fanahy Masina ;
Ny Tenin’Andriamanitra araka izay isehoany ao amin’ny Baiboly sy izay hazavaina eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina no raisiny ho loharano sy fitsipiky ny finoany sy ny fiainany ;
Ny Sakramenta roa (2) : Ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo
Ny zava-kendreny
Ny handrenesan’ny Malagasy sy ny Mponina eto Madagasikara ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy sy handraisany ary hanekeny Azy ho Tompo sy Mpamonjy
Ny handraisany anjara eo amin’ny sehatry ny Fiangonana sy Vondrom-piangonana Kristiana eran-tany
Ny fijoroany ho vavolombelon’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiarahamonina no anehoany ny maha fanasina sy maha fanazavana azy eo amin’ny voahary manontolo sy izao tontolo izao
Ny adidiny
Ny manambara fa Jesoa Kristy no Tompo Tokana Mpamonjy izao tontolo izao ;
Ny manompo sy midera ary manome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny teny sy amin’ny asa ary ny fiainana rehetra ;
Ny mitory ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy Tompo amin’ny olona rehetra sy ny olona manontolo.
Soradamina FJKM
Eo ambany fitarihan’ny Filoha:

