Sal 34.1-8 / Hira 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 790.1,3

Inona no dikan’izany ho antsika mino?

1. Isika mino an’i Kristy JESOA dia misitraka ny fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra tao amin’i Abrahama raha nambarany ny hoe: « aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany » (Gen. 12,3; Rom.3,8). I JESOA izany fitahiana izany!

2. Isika mino dia misitraka ny teny fikasana ny amin’ny Fanahy Masina izay ambaran’i Paoly rahateo fa nanisiana tombo-kase antsika ho zanak’Andriamanitra (Efes.1,13), ka miara-miteny amin’ny fanahintsika fa zanak’ Andriamanitra isika (Rom.8,16)!

3. Isika mino dia akamban’izany finoana izany ho iray na Jiosy na Jentilisa: manjary zanak’i Abrahama amin’ny finoana an’i JESOA na isika Jentilisa araka ny nofo aza, ary samy mandray ny Fanahy Masina iray ihany tahaka ny Jiosy koa!

Fanontaniana:

Tsapanao ve izany tombontsoan’ny maha velon’ny finoana antsika izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe