Salamo 19. 1-6
Andriamanitra Mpahary
1- Manambara ny voninahiny ny habakabaka
« Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra, ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany » (and. 1).Ny fahatsaran’ny lanitra dia manetsika tsy mitsahatra ny vavaka ao amin’ny bokin’ny Salamo (29; 93; 104). Eto dia nasiana tsindrim-peo manokana momba ny fanadihadiana izany. Maneho ny voninahitr’ Andriamanitra tsy ankitsahatra ny lanitra, ary ny habakabaka maneho ny asan’ Andriamanitra. Izay olona rehetra mandinika ny lanitra, dia mahita ny fahalehibeazan’ny voninahitr’Andriamanitra. Ary raha te- hahita ny voninahitr’ Andriamanitra ny olona, dia mijery ny zava-boahary izay noharian’ Andriamanitra,
satria haneho ny voninahitr’Andriamanitra no antom-pisian’ireny. Mihoatra lavitra noho izany, Jesoa Kristy no voninahitr’Andriamanitra.
2- Mampitodika ny olona amin’ny fivavahana Aminy
« Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany, sady mifaly »(and.5).Zava-boarin’Andriamanitra ny masoandro, sady manompo an’Andriamanitra. Tamin’ny fotoana izay nanoratana ity Salamo ity, dia nisy firenena nivavaka tamin’ny masoandro. Taty aoriana, dia naka tahaka izany ihany koa ny lsiraely ka nivavaka tamin’ny masoandro. Mamerina ny vahoaka ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izao Salamo izao. Toy izany koa isika ankehitriny, aoka ho llay
Andriamanitra Mpahary no anaterana fiderana sy fivavahana fa tsy ilay voahary nataon’Andriamanitra hidera Azy. Koa satria zava- boaharin’Andriamạnitra isika, dia nohariany hanome voninahitra
amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy.
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba entinao midera an ‘Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM