Jeremia 12. 1-6

Manamasina ny tenany ny mpino

1- Aza mialona ny ratsy fanahy

Izay ambara eto ry havana dia tohin’izay voalaza teo amin’ny toko 11.18. Fanontaniana fandre hatry ny ela, saingy mbola manan-kery ankehitriny no apetrak’i Jeremia: « Nahoana ny ratsy fanahy no ambinina? Nahoana ny tsy rariny no mandresy ny rariny? Nahoana no toa mety avokoa izay ataon’ireo tsy mba matahotra an’Andriamanitra…? Mazàna ny mpino no sahiran-tsaina raha mandinika ny fanambinana misongadina azon’ny ratsy fanahy. (Joba 21. 7-15, Sal 73, Mal 3. 14-15). Na eo aza izany sarintsarim-panambinana izany, Jeremia kosa dia mahalala tsara fa marina Jehovah (12.1). Izany hoe: tsy fankahalana ireo ratsy fanahy akory no antony nahatonga azy nanontany. Ry havana, Andriamanitra irery no mahalala izay tiany hatao amin’ny olona tsirairay. Mijoroa, asehoy ny fahamasinanao, aza miray aminy sao ho voataonany ianao.

2- Mijoroa amin’ny fahamarinana

Jehovah mihitsy no lazain’ny mpanoratra eto ho marina. Hoy mantsy ny voalazan’ny and.1: « Raha mifandahatra aminao aho Jehovah ô, dia ianao no marina ». Ny fijoroana amin’ny fahamarinana eo anatrehan’ireo ratsy fanahy, na ireo izay tsy marina dia endrika iray itoriana ny Filazantsara. Masina ilay Andriamanitra inoantsika, sady mpanao ny marina. Ianao ihany koa dia mendrika ny ho toy izany eny amin’ny sehatra anirahany anao. Asehoy ny fahamasinana sy ny fahamarin’ Andriamanitra, ary aza mitoky na amin’iza na amin’iza satria hita ankehitriny fa mitombo ny olona mivadiką amin’ny marina rehefa tojo olana.

Fanontaniana:

Marina amin’ny zavatra rehetra ve ny mpino?

Sampana Sekoly Alahady Foibe