DEOTERONOMIA 6.10-19
Rehefa tahian’Andriamanitra ianao
1- Ny manadino Azy tsy mba fanao (and 10-19)
« … ary rehefa mihinana ianao ka voky dia mitandrema fandrao adinonao ny Tompo izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta » .Ao anatin’ny lahateny faharoa nataon’i Mosesy ny mofonaina anio .Teny izay nataony hampitandremana ny Zanak’Israely mba tsy ataony tahaka ny tahom-boanjo ny Tompo ka Izy nahitana indray no hakifika , izan y hoe: manjary tahaka ny filan-javatra fotsiny Andriamanitra , ka rehefa mahazo dia faly mahazo fa tsy te-hahalala Azy intsony .Efa nibedesan’i Jesoa ireo vahoaka nitady Azy noho ny nampihinanany mofo azy ireo io toetra io .Koa aoka isika izao tsy ho latsaka amin’izany kosa.
2-Ny sampy rehetra halaviro sy ialao
« ...aza manaraka izay andriamanitra hafa amin ‘ireny firenena manodidina anareo ireny » , hoy ny filazan’i Mosesy . nnAntintranteriny fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra velively ny manaraka volontany hanompo sampy , rehefa tonga any Kanana. Isika koa , aoka tsy ho mpanara-davahana ka izay ataon’ny hafa dia hironana avokoa . Aoka hahatsiaro fa manana Tompo mpamonjy isika , ka tsy handrorona amin’izay mety ho endrika sampy na inona na inona , na manao izany aza ny manodidina rehetra .
3-Ny làlana marina ihany no araho (and18,19)
« Ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason’ny Tompo mba hahita soa ianao ka hiditra handova ny tany soa izany nianianan’ny Tompo amin’ny razanao omena azy ». Taomina hahay hitondra tena araka ny sitrapon’Andriamanitra kosa ny olom-boavonjy eto ka hampifanaraka ny fitondrantena sy ny famonjena efa noraisina .Fankatoavana izany ary antoky ny fitahiana .
Fanontaniana:
Ahoana no tokony ho fiainan’ny olom-boavonjy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM