JOBA 23.1-17
Ny olona matoky an’Andriamanitra
1-Maniry ny hifandray Aminy mandrakariva
Tena matoky an’Andriamanitra i Joba . Izany no azo nandraisana ny valiteniny ho an’i Elifaza. Na dia eo aza ny fangirifiriana mihatra aminy dia faniriany ny hifandray amin’Andriamanitra mba hahafahany miaro ny tenany manoloana an’Andriamanitra mpitsara marina , izay inoany fa manamarina azy (and4-7) .Izany tokoa ny finoana ananan’ny olona matoky an’Andriamanitra . Mandalo fahoriana , fijaliana , kanefa tsy miala amin’Andriamanitra .Matoky fa mitana ny teniny amin’ny fiahiany ny mpanompony Izy , ka sahy mandrakariva ny olona hifandray , handahatra Aminy ny fiainany mba hahafahana mandray ny famindrampony .
2-Manorina ny fiainana amin’ny Teniny
Na dia toa manao fangalam-piery amin’i Joba aza Andriamanitra , tsy mety mifanojo amin’ny làlan’Andriamanitra ny làlany , dia inoany fa mijery azy ary mahalala ny fiainany Izy (and8-10) .Noho izany dia manokana ny fiainany ho an’Andriamanitra ho fanilo hitondrana ny fiainany , satria azony antoka fa izay voatendrin’Andriamanitra ho anjarany dia tanterahiny mandrakariva (and14). Azo antoka ny Tenin’Andriamanitra , tanterahiny mandrakariva izay voalazany . Noho izany , aoreno ny finoana , aza miala amin’ny Tenin’Andriamanitra , raiso ho fitsipi-piainana ho anao ny Tenin’Andriamanitrea dia hanana fiadanana ianao .
Fanontaniana ;
Manao ahoana ny anajara toeran’ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ,?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM