1 Jaona 4. 7-21
Mankalazà an’Andriamanitra, iaino ny fitiavana.

1- Manahaka an’Andriamanitra
Hitantsika eto ny maha- Izy Azy an’Andriamanitra : «Andriamanitra dia Fitiavana». Fitiavana, loharano ivoahan’ny fitiavana Andriamanitra. Rehefa mifandray Aminy ny olona, manaiky atsangany ho zanak’ Andriamanitra dia manana ny toetrany. Manana fitiavana ka mahay mitia ny olona rehetra satria Andriamanitra efa nitia ny olona rehetra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Izy.
2-Maneho an’Andriamanitra eo amin’ny fiainana
Rehefa mino sy manaiky an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy ny olona dia monina sy miasa ao anatiny ny Fanahy Masina izay nomen’Andriamanitra. Mifamato-piainana amin’ Andriamanitra ny mpino ka afaka maneho eo amin’ny fiainany ny fisian’ Andriamanitra manapaka sy mitondra azy indrindra rehefa miaina amin’ny fitiavana marina. Ho tsapan’ireo olona mifanerasera amin’ny mpino fa manana toetra miavaka ny mpino ka ho resy lahatry ny fiainana ao amin’ Andriamanitra izy ireny.
3- Mandray ny fiainana ho avy
Rehefa miaina amin’ny fitiavana araka an’Andriamanitra ny mpino Kristiana dia mahazo toky ny fiainana ho avy. Niaina araka ny sitrapon’ Andriamanitra, nahatanteraka ny didim-piitavana dia tsy hanan-tahotra manoloana ny fitsarana ho avy (and.17). Ny olona tena miaina amin’ny fitiavana marina dia tsy matahotra ny ho avy. Nitia an’ Andriamanitra, nanao ny asany, eny nitia ny olona rehetra.
Fanontaniana :
Tena miaina araka ny ftiavana avy amin ‘Andriamanitra ve ny mpino Kristiana ? Nahoana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM