JAONA 17.9-19

Ny Tenin’Andriamanitra

1-Mirakitra fifaliana tanteraka

Vavaka nataon’iJesoa ity ho an’ny mpianany mba hananan’ny mpianany fifaliana ary izany fifaliana izany dia tsy mba toy ny eo amin’izao tontolo izao izay tsy maharitra sy tsy tanteraka fa tena feno sy tanteraka tokoa .Izany dia tenin’i Jesoa fony Izy teto amin’izao tontolo izao mba hananantsika fiainana sy fifaliana ; noho izany dia tokony hanana fifaliana tokoa isika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra .Fa raha tsy mahatsapa izany isika dia mila mandini-tena fa sao tsy mitoetra ao Aminy araka ny voalaza hoe: « tomoera amin’ny fitiavako ianareo …ka ho tanteraka ny fifalianareo » (Jao 15.10-11) .Tena azo antoka izany fifaliana feno sy tanteraka izany . Koa meteza hisitraka izany ianao sy ny ankohonanao .

2-Refin’ny fahamarinan’ny olona (and17)

Izao tontolo izao dia manana izay heveriny ho marina ary misy karazany maro tokoa izy ireny .Miovaova araka izany izany ka arakaraka ny toerana sy ny toe-javatra misy sy mitranga .Amin’ny kristiana anefa ny mahamarina antsika dia ny fitandremantsika ny Tenin’Andriamanitra ary tokony hiezaka amin’ny fahamasinana amin’ny alalan’ny Teniny isika mba ho kristiana tena izy , tsy misy fangarony . Fa hoy i Jesoa hoe : « Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana » ka mazava fa Izy tokoa no marina ka Izy Ilay ho tonga mpitsara antsika . Jesoa ,Ilay Marina ary ny fitandremana ny didiny irery ihany no làlana .Koa aza mihevitra zavatra hafa intsony ianao hanamarinan-tena afa-tsy ny Teniny ihany

Fanontaniana :

Raha hotsaraina àry isika ,moa efa mba manana antoka ve ianao amin’ny fahamarinanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM