ASAN’NY APOSTOLY 20.17-24

« nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko ,mba hahavita ny alehako dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesoa Tompo hanambara ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra « (and24)

Ny aina sy ny fanompoana

Efa fantatry ny kristiana tsara fa tsy moramora mihitsy akory izany fanarahan-dia ny Tompo izany, satria na Izy Tompo aza dia niatrika zava-tsarotra sy mafy .Araka ny fanambarana izay hita ao amin’ny filazantsara dia nahatonga ny fahafoizany ny ainy mihitsy ny iraka nampanaovina azy .Efa niteny izany rahateo Izy fa tahaka izany koa no tsy maintsy arahan’ny mpanara-dia Azy marina (Mat 16.24) .

Tsy maintsy mifidy

Raha mifidy ny aina , izany hoe: mitandrina ny aina , manao izay hahasoa ny aina dia ho votsotra ny asa fanompoana satria amin’ny alalan’ny fahafoizana ny aina no hahavitana ny asa fanompoana .Raha misy kosa mifidy izay hahavita ny asa fanompoana , ankilan’izany dia tsy ho voatana mihitsy ny aina tahaka an’i Jesoa Kristy fa izany no nahavitany ny asa fanompoana nanirahana azy.

Ho an’i Paoly manokana dia mazava be mihitsy ny safidiny teo amin’ny ainy sy ny fanompoany , satria hoy izy hoe : tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko mba hahavita ny alehako dia ny fanompoana izay noraisiko .Izany hoe: foiny koa ny ainy mba ho fanarahany ny Tompo Andriamanitra . Nisy nahavita izany koa ireo maritiora malagasy , araka izay ambaran’ny tantara .

Fanontaniana :

Azo atao ny mahafoy ny aina hahavitana ny fanompoana. Maritiora maro no efa nahavita izany . Mbola misy ve izany ankehitriny ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM