2Korintiana 4.7-18

1-Mety maty ny olona rehetra

Raha ny asa fanompoana mafy sy sarotra efa natrehan’I Paoly sy mbola tanterahiny no zohina  dia fantany fa tsy maintsy mbola hamoizany ny ainy mihitsy izany. Izany no nitenenany eto hoe  ny fahafatesana no miasa  ao aminay(cf2 Kor.1.8-9) ary  lalana halehan’ny velona rehetra koa izany fahafatesana izany raha ny marina.Noho izany aoka ny olona hiomana amin’izany trangam-pahafatesana izany satria izany no zava-misy hatrehina.Tsarovy ary fa  mety maty ny olona.Zava-misy amin’izao fotoana izao tokoa ny fifehezan’ny olona  ny siansa ka hahavitana  manao zava-mahagaga,amin’izany dia mety   tsy ho faty ihany aloha ny olona  iray satria nanaovana grefy ny taova simba,ohatra.Na izany aza dia voafetra ihany izany zavatra izany satria  tsy maintsy ho faty avokoa ny olona rehetra.

2-Antoka hahavelona ny mpino ny fitsanganan’I Jesoa

Fantaro ary fa  na tonga aza ny fahafatesana dia efa natsangan’Andriamanitra Jesoa Kristy ho mpialoha lalana ny mino Azy rehetra (cf 1 Kor.15;20).Koa amin’izany minoa an’Andriamanitra manao izany sy hanome izany ny mino Azy.Koa na misy aza ny fahafatesana,dia tsy hampisaraka ny mpino  samy mpino izany,ary indrindra tsy hampisaraka ny mino amin’I Jesoa Kristy.Izany no nitenenan’I Paoly eto hoe Mino aho ka miteny hoe fantatray fa izay nanangana an’I Jesoa Tompo no hanangana anay koa miaraka aminareo izay mino rehetra.

Fanontaniana:

Mino ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ve  ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM