Ezekiela 14.1-8
Salamo 99.1-5-FFPM 16-Vavaka – FFPM 409
Ny Andriamanitra maniraka mpaminany
1. Mitsara ny manompo sampy
«… Izaho Jehovah no hamaly azy araka ny habetsaky ny sampiny, » (And. 4)
Tamin’ny andro nitondran’i Ezekiela mpaminany hafatra dia nirongatra ny fanompoan-tsampy teo amin’ny firenen’i Joda. Niala tamin’ny fahatokiana an’i Jehovah ny olona. Vokatr’izany, Andriamanitra mihitsy no nitsara ny vahoaka noho ny sampiny. Miteraka fitsarana sy famaizana avy amin’Andriamanitra ny fifikirana amin’ny sampy. Tsy avelan’Andriamanitra hilona ao anatin’ny fanompoan-tsampy ny vahoaka nofidiny. Atao hoe sampy izay rehetra ametrahan’ny olona ny fitokisana ivelan’Ilay Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy. Koa minoa an’i Jesoa Kristy Tompo.
2. Mitaona ny olona hibebaka
« Mibebaha, dia miambohoa ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, miambohoa ireny. » (And. 6)
Nitaona ny taranak’i Isiraely hibebaka Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany. Ny atao hoe mibebaka eto, dia fiambohoana ny sampy ka mitodika manatrika amin’Andriamanitra. Hitaona ny vahoakan’Andriamanitra hiala amin’ny sampy no antony nanirahany ny mpaminany. Hiala amin’ny fanao ratsy rehetra ka hiverina amin’ny fivavahana sy ny fanompoana an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy. Ho anao izay mbola variana amin’ny fanompoan-tsampy, dia miverena amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy mba hanananao fiainana sy fahavelomana.
Fanontaniana
Ahoana ny fomba hahafahanao miala amin’ny sampy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe