Jaona 20, 26-31
Ilay nandresy ny Fahafatesana
1 – Tsy voasakan’ny varavarana voarindrina

« Dia tonga Jesoa rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany » (and. 26). Rehefa avy nandresy ny fahafatesana ny Tompo dia tafiditra tao amin’ny trano mihidy indray. Miala any amin’ny fonenan’ny maty Izy ary miditra eo anivon’ny mpianatra. Tsy voafetran’ny toerana ny Tompo fa manana fahefana hiantrano amin’izay tiany hiantranoana. Andrandrao ny fanatrehany.
2- Tompo sy Andriamanitra
Rehefa nanehoan’ny Tompo porofo hita maso sy azo tsapain-tànana teo amin’ny tànany dia nanambara fanekem-pinoana miavaka i Tomasy ho : « Tompoko sy Andriamanitro » (and. 28). Jesoa Kristy tokoa no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay (1 Jao. 5, 20) … Izy no endrik’Andriamanitra tsy hita (Kol. 1. l5a) … Izaho sy ny Ray dia iray ihany » (Jao. 10, 30) hoy ny Tompo. Sahia mijoro manambara ny fanekem-pinoana.
3- Manome fiainana
« Hanananareo fiainana amin’ny anarany raha mino ianareo » (Jao. 20, 31). Hafa mihitsy ny fiainana miaraka amin’ny Tompo. Fiainana eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, fiainana araka ny fahamasinana sy ny fahamarinana. Fiainana manome voninahitra an’Andriamanitra amin’izay atao rehetra. Fiainana feno fisaorana ary tsy mitarain-tana-miepaka satria miara-miasa hahasoa ny zavatra rehetra. Fiainana manao laharam-pahamehana ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany ka mandova fianana mandrakizay.
Fanontaniana :
Ataonao ho iza moa i Jesoa ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM