1 PETERA 4.7-11
Manoro hevitra antsika ny Apostoly Petera hoe: “Efa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra “ (and7) koa :
1-Hendre ka mahonona tena (and 7b)
Anarin’I Petera ny mino eto mba ho hendry , izany hoe: tsy hiverina amin’ny fanaranam-po intsony fa “ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ny Jentilisa tamin’ny nadehanana tamin’ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana ny sy filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra” (and3) .Ny fahalalantsika fa ho avy tsy ho ela I Jesoa dia manery antsika hiaina ny fahamasinana fa tsy hiverina hivary lavo amin’ny fahotana indray fa ny “kisoavavy efa nisasa dia miverina mihosom-potaka indray” (2 Petera 2.22) ary koa” amin’izao sisa izao , aza manota intsony “ (Jao 5.14) hoy I Jesoa .
2- Mifankatiava tsara (and8)
Tsy hoe : mitiava tsara na koa hoe : miandrasa hotiavina fa amin’ny endrika mifanao , izany hoe: ny mpino rehetra dia samy tokony hahay maneho fitiavana avy , tsy hifankahala fa izao tontolo izao aza mahay miombona sy mifanampy mainka fa ny Kristiana ? Baikon’I Jesoa amintsika rahateo izany hoe : “Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo” ( Jao 13.34) .Atsaharo hatreo ny fankahala sy ny forongony .
3-Mifanompoa (and10)
“Araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo”.Midika izany fa na iza na iza dia samy manana fanomezam-pahasoavana , tsy misy tsara sy ratsy ary tsy voatery, fa ny zava-dehibe dia izay ananana no entina mifanompo , tsy misy araka izany na iza na iza ka tokony hotompoina fotsiny .
Fanontaniana :
Tokony ho olona manao ahoana isika eo anatrehan’ny fahatomotry ny fiafaran’ny zavatra rehetra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM