Mar.10:13-16

Ireto avy ireo hevi-dehibe fonosin’ny tenin’Andriamanitra :

1- Ray aman-dreny tomponandraikitra amin’ny zanany eo anatrehan’ny Tompo (and.13)

– Ireto Ray amandreny ireto dia nino an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy, loharanon-kery sy fiainana. Nikatsaka mandrakariva izay hahasoa ny zanany ka Jesoa no heveriny fa fahatanterahan’izany.

– Ianao koa tomponandraikitra amin’ny zanakao. Ento eo amin’ny Jesoa izy ireny hametrahany tànana. Ny eo amin’i Jesoa no fiorenana tsara indrindra ho an’ny taranakao.

2- Zava-dehibe ny fametrahan-tànana (and.13)

– Raisin’ireto reny ireto ho zava-dehibe tokoa izany hoe : »hametrahan’i Jesoa tànana izany ». Fanovozankery sy fitahiana ary tsodrano izany.

– Tsarovy ry mpiandry fa tena zava-dehibe tokoa ny fametrahan-tànana ataonao io. Sady olom-boahosotra ianao no olom-boantso ho amin’ izany. Manamasìna tena ary ataovy amin’ny finoana sy fitiavana ny fanompoana.

– Raha mbola omen’Andriamanitra tombonandro ianao dia mandraisa fampaherezana sy fametrahantànana.

3- Mahatezitra an’iJesoa ny fanakanana olona tsy hanatona Azy (and.13b-14)

– Ny mpianatr’i Jesoa nanakana ireo reny te- hanatona. Tezitra Jesoa.

-Tsarovy fa tena sitrak’i Jesoa ny hanatonana Azy, indrindra fa ny Zaza.

– Ianao koa aza manakana olona tsy hanatona ny Tompo. Tandremo ny teninao, ny toetranao, ny asanao mba tsy ho sakana ho an’ny zaza sy ny olona hafa tsy hanatona an’i Jesoa. Loza ho anao izany raha avy aminao no sakana tsy hanatonan’ny olona an’Andriamanitra. Ho tezitra aminao Jesoa raha izany no ataoanao.

4- Miovà ho toy ny zaza raha te-handova ny fanjakan’Andriamanitra ianao (and.15)

– Ny zaza dia tsotra, tsy mba mahay miolakolaka, tsy mahay mandainga. Aoka ho tsotra toy izany ianao, mahitsy fo raha te-hiditra ny lanitra.

– Ny zaza dia mino. Matoky feno ny ray amandreniny. Ianao koa manàna fahatokiana feno ny Tompo.

– Ny zaza dia marina na amin’ny toetrany na amin’ny fiainany. Ianao koa,mitafia fahamarinana .

– Ny zaza dia miankina amin’ny ray amandreny. Miankìna feno amin’ny Tompo ianao.

P.Ramamonjiarisoa R.