Galatiana 5. 16-26
Ny olona mandeha araka ny Fanahy Masina
Ambaran’i Paoly Apostoly eto ny fahasamihafana eo amin’ny olona manana ny Fanahy Masina sy ny tsy manana izany Fanahy Masina izany. Mitaona sy mamporisika ny mpino noho izany izy mba handeha araka ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainana manontolo.

1- Miaina amin’ny fahafahana.
Miaina amin’ny fahalovana ny olona tsy mandeha araka ny fitarihin’ny Fanahy Masina: mamatotra ny asan’ny nofo, ny maha- olombelona nofo aman-drà ka izany no mibaiko sy mitondra ny atao rehetra, fiainam-paharatsiana, fahapotehana, faharavana. Rehefa nandray ny Fanahy Masina anefa ny olona, manome toerana ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainany manontolo dia ho resy tosika ny asan’ny nofo rehetra. Mandeha amin’ny toe-panahy feno fahamasinana sy fahamarinana. fiainam-pahafahana.
2- Miaina amin’ny fiainan’ny olom-boavonjy

Mandova ny fanjakan’ Andriamanitra ny olona mandeha araka ny Fanahy Masina, miaina amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Izany finoana ny maha-olom-boavonjy izany dia mahatonga ny olona hanaiky hotarihin’ny Fanahy Masina ka hiaina amin’ny fiainana miavaka. fiainana feno fahatsarana amin’ny fifandraisana amin’ny hafa (and 22). Tsarovy fa miova tanteraka ny fiainanao rehefa manana ny Fanahy Masina sy maniky hotarihiny ianao. Tonga olom-baovao miaina ny fiainan’ny olom-boavonjy, mahay mihevitra ny hafa.
Fanontaniana:
Lazao ireo fiovana ateraky ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny olona.
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM