1 KORINTIANA 15.24-28

 KRISTY NO MPANJAKA

 Amin’ny fotoana hahatanterahan’ny fanjakany  dia :

 1-Foanany  ny  herin’ny fahavalo rehetra (and24)

Ambaran’ I Apostoly Paoly  fa amin’ny fotoana hihavian’I Kristy  dia hofoanany  ny  herin’ny fahavalo dia ireo fanapahana sy fahefana ary hery manohitra Azy ka hatolony ho an’Andriamanitra ny fanjakana  sy ny fahefana rehetra Tokony hahatonga ny mpino  hiorina  tsara amin’ny finoana izany fanazavana izany ,indrindra manoloana ny fiatrehana ny fahefana sy ny fanjakan’izao  tontolo izao  izay mangeja ny fiangonana sy manampatra ny fahefana Aminy .Ny  Tompo Jesoa dia efa nampiomana fa hahita fahoriana ny mpianatra raha mbola ety amin’izao  tontolo izao , kanefa tsy  tokony  hanary toky satria Jesoa dia efa naharesy izao  tontolo izao , ka izay manaraka Azy  dia tsy  maintsy ho mpandresy  tahaka Azy satria Izy no Mpanjaka.

2-Resiny  ny fahafatesana

Nanota ny olombelona ka nahatonga ny fahafatesana teto amin’izao  tontolo izao .Ny fitsanganan’I Kristy  tamin’ny maty no mampiseho fa efa noreseny ny herin’ny ota ,fanindronan’ny fahafatesana  “Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao  amin’ny Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao  amin’I Kristy”.Izy no santatry ny fitsanganan’ny  tena amin’ny maty .Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena (and26) .Midika  izany fa tsy ho eo ambany fahefan’ny fahafatesana intsony izay rehetra mino Azy. Ny iraka  nampanaovin’ny Ray an’I Kristy  dia ny hamonjy   ny olona rehetra ho  afaka  amin’ny herin’ny ota ka hananany fiainana mandrakizay .Rehefa vitany izany asany izany dia miverina any amin’ny Ray Izy ka mandray ny satroboninahitra ho Azy sady manomana fitoerana ho an’ny mino .

Fanontaniana:

Inona no antenainao  aorian’ny fahafatesana ?

Sampana Sekoly Alahdy FOIBE FJKM