MALAKIA 3.13-24
Efa voaorina ny manda , ary efa tafatoetra tsara ao Jerosalema indray ny Jiosy , kanefa nanjary tsy nanaja an’Andriamanitra intsony , ka tao ohatra ny nanao fanatitra biby manan-kilema , raha ny tsara indrindra no tokony atolotra an’Andriamanitra .Manoloana izany dia mitodika amin ‘ny vahoaka sy amin’ny mpisorona i Malakia miampanga ireto farany ho tsy manome ohatra tsara hotahafina . Maniraka an’i Malakia àry ny Tompo eto ( « irako » no dikan’ny hoe : Malakia ) hampahatsiahy fa :
1-Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fanamaivanana ny fanompoana Azy ka hilazana hoe:
« zava-poana ny manompo an’Andriamanitra , ary inona moa ny soa azo tamin’ny fitandremantsika izay nasainy notandremana ? « (and14) . Manao tsinotsinona ny Tompo izany ary tsy ialana maina fa « ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary ka dia handoro azy ny andro izay ho avy , hoy i jehovah » (and19);
2-Fa izay mitoetra ho mahatoky amin’ny fanompoana azy kosa
Manaja an’Andriamanitra ary mitahiry ny tenany ho an’Andriamanitra ary dia hovaliany soa ka ilazany hoe : « Ary hiposaka aminareo izay matahotra ny anarako ny masoandron’ny fahamarinana , manana fanasitranana ao amin’ny tànany ary hivoaka ianareo ka hifaly havanja tahaka ny zanakomby mifahy » (and20). Hoy Jehovah : « ka dia ho hitanareo indray ny tsy fitovoan’ny marina sy ny meloka dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy » (and18) . Taomina àry isika hitoetra ho mahatoky amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ,haharitra amin’ny finoana fa tsy ho mpanome tsiny Azy tahaka ny sasany .
Fanontaniana :
Tahaka an’iza amin’ireo karazan’ olona roa ireo ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM