LIOKA 4.42-44

Ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia :

1-Natao ho an’ny olona rehetra

Fomban’i Jesoa ny mitory ao amin’ny Synagoga rehefa vory ny vahoaka hivavaka , hihaino ny Tenin’Andriamanitra .Nampianatra izy , nitory ny vaovao mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra ho an’ny malahelo sy ny fanavotana ho an’ny ory .Nanamarika izany ny asa fanasitranana nataony (ara-panahy sy ara-nofo) .Vokatry ireo asa nataon’i Jesoa ireo dia te- hihazona azy ny olona (and 42), natao ho an’ny olona rehetra izy .Mampahatsiahy ny fiangonana ankehitriny koa i Jesoa fa tsy azo ferana amin’ny toerana iray ny Tenin’Andriamanitra , fa natao ho an’ny olona rehetra .

2-Tsy maintsy toriana

Voasoratra hoe: « ary Izy nitory teny tao amin’ny Synagoga eran’ny Galilia  » (and44). Koa satria natao ho an’ny olona rehetra ny Teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia nanan-danja tamin’i Jesoa ny asa fitoriana , izay antoky ny famonjena ny fanahy . Nikely aina fatratra Izy satria izany no nanirahana azy. Midika izany fa te- hamonjy ny tany rehetra izy ka nanome baiko ny mpianatra hoe : « Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra  » (Mar 16.15) .Maniraka ny fiangonana ankehitriny koa Jesoa mba hanohy ny asa izay efa natombony , dia ny hanambara ny Teny soa mahafaly amin’izao tontolo izao mba handraisana ny famonjeny .Asain’i Jesoa mitety tanàna maro koa isika amin’ny alalan’ny Tafika masika , miala amin’ny toerana mahazatra .

Fanontaniana :

Inona no hataonao hanomezana lanja ny asa fitoriana ny Teny soa mahafaly aminn’y hafa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM