Jaona 4. 31-42


Ny finoana marina


Asehon’ity mofonaina ity ny asa fanompoana notanterahin’ ilay vehivavy samaritana sy ny vokatr’ izany.


1- Miditra amin’ny fifandraisana marina
Nitaona ireo mpiara-monina taminy mba hihaona amin’i Jesoa Kristy ilay vehivavy Samaritana.Noreseny lahatra ny olona fa i Kristy no niresaka taminy satria mahalala ny fiainana manontolo (and.29). Niampita ny finoana, nino an’i Jesoa Kristy ireo Samaritana tao an-tanàna nisy an’ity vehivavy ity. Tsy finoana am-bava fotsiny anefa fa finoana nitarika azy ireo nifandray akaiky tamin’i Jesoa. Nangataka an’i Jesoa Kristy mba hiditra sy hitoetra tao amin’ny tanàna misy azy ireo (and.40). Ny olona tena mino an’i Jesoa Kristy Mpamonjy dia manamafy mandrakariva ny fifandraisana Aminy.
2- Ambara ho ren’ny rehetra
Nanaiky ny hetahetam-pon’ireo Samaritana i Jesoa Kristy ka nitoetra tao amin’izany tanàna izany tao anatin’ny roa andro. Roa andro namelona sy nampitombo ny finoan’izy ireo noho ny fifaneraserana. Nahita ilay Mpamonjy, niara-nonina tao anatin’ny andro vitsy, nihaino ny Teniny ka indreo naneho sy nanambara ny finoana tao anatiny. Hoy ny tenin’izy ireo : « Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa lzy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao. » (and. 42). Ny olona mahafantatra fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy dia mahajoro vavolombelona mandrakariva.

Fanontaniana:
Mpamonjy anao i Jesoa Kristy, manao ahoana ny fifandraisanao Aminy ? Lazao endrika manao ahoana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM