Sal 145. 1-5/ Hira 170: 1/ Mofonaina / Vavaka
Kolosiana 3:16-21
Hafatra telo mazava no ampitain’ny mofonaina anio:
1. Ampitoero ao aminao ny Tenin’i Kristy (and 16)
Mitaona ny Kristiana tao Kolosia i Paoly hoe: « Aoka ny Tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo…« . Raha lazaina amin’ny teny hafa izany dia izao: aoka hanjaka ao anatinareo i Kristy, izay tsy iza fa Tenin’ Andriamanitra tonga nofo rahateo, fa rehefa manjaka ao Izy, dia mahay mifanitsy sy mifampahery amin’ny fo madio tsy misy fitaka ny samy Kristiana. Afaka mifampianatra sy mifananatra satria tena iray ihany ao amin’ny Tompo.
2. Ataovy amin’ny anaran’i Jesoa ny zavatra rehetra
« Ary na inona na inona no ataonareo na amin’ny teny na amin’ny asa dia ataovy amin’ny anaran’i Jesoa Tompo izany rehetra izany » (and 17) hoy ny hanohizan’i Paoly ny fitaomana ataony. Raha hitsiana izany dia izao, ny anaran’i Jesoa hatrany no tokony hialoha lalana amin’ny zavatra rehetra, tsy ny herin’ny tena na ny fahaizana amam-pahalalana, na izay harena eo am-pelatanana no hitokiana, fa ny anaran’i Jesoa ihany. Midika mantsy izany, fa apetraka amin’i Jesoa ny zavatra atao rehetra!
3. Arindrao ny fifandraisana amin’ny ankohonana
Raha manjaka ao anatin’ny olona ny Tenin’Andriamanitra dia hahay hamboatra sy hanatsara ny fifandraisany amin’ny ankohonany izy (and 18-21), ka ny vehivavy hanaiky ny vadiny, ny lehilahy ho tia ny vadiny, ny zanaka hanaja ray aman-dreny ary ny ray aman-dreny tsy hanome alahelo ny zanany. Tsy zavatra vitan’ny herin-tsain’ olombelona izany, ary tsy mirindra izany fifandraisana izany raha tsy ny Tenin’Andriamantira mitoetra ao anaty no ankatoavina sy avela hitarika amin’ny teny aloaky ny vava, sy ny fihetsika mety hatao!
Fanontaniana
Hatraiza ny anjara toeran’ny Tenin’i Kristy ao aminao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe