ISAIA 45.9-13

Andriamanitra no mpamorona

Ireto manaraka ireto no hevi-dehibe raisintsika avy amin’izany :

1- Azony ampiasaina avokoa ny olona rehetra (and 9-10)

Mahagaga fa na dia izay firenena sy olona tsy mahalala Azy akory aza dia ampiasainy ho fitaovana eo ampelatanany,hanehoany ny maha-Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao Azy. Eto izao dia i Kyrosy mpanjaka jentilisa izay tsy mahafantatra Azy akory (Isa 45.1) . Izy no nomeny fahefana handresy ny Babyloniana noho ny fitiavany hanafaka ny Israely amin’ny fanandevozana . Oharina toy ny tanimanga eo anatrehan’ny mpanao vilany tany ny olona ,ka azony ampiasaina amin’izay ilany azy . « Ny tanimanga va hilaza amin’ny mpanefy azy hoe : Inona no ataonao? »(and 9)

2-Eo am-pelatanany ny ho avy rehetra (And 11-13)

Aseho eto fa Andriamanitra no mpahary ny Israely sady Izy koa no Ray mpiahy azy . Manana hevitra iheverany ny olony Izy ,ary manana ny lalana tiany hitondrana azy .Noho izany dia tsy tokony hanana fanahiana ny amin’ny ho aviny ny Israely . Tsy ny Israely ihany fa isika rehetra koa, satria zanany isika sady asan’ny tanany ka hoy indrindra Izy amintsika : « Ny amin’ny zavtra ho avy no anontanio Ahy ary ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany » (and11). Teny fanomezan-toky ho antsika izany,sady mamelona fanantenana mba tsy hananantsika fanahiana manoloana ny zava-manahirana samy hafa izay atrehina amin’ny andro ankehitriny ;teny mampiseho ny fitiavan’Andriamanitra antsika ka mahatonga antsika hibanjina an’ i Jesoa ,izay voahosotr’Andriamanitra mba hanafaka antsika amin’ny fanandevozan’ny fahotana ,sady manome fiainana mandrakizay .

Fanontaniana :

Inona no antony heverinao fa nifidianan’ny Tompo anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM