Matio 24. 43-51
Miomàna handray ny Tompo!
1- Aoka ho olo-mahatoky
Ny toetry ny olo-mahatoky eo am-piandrasana ny fiavian’i Jesoa dia ireto :
–Miambina : tsy matoritory no sady mijery hatrany ny manodidina sao misy fahavalo tonga ary manana fahavononana hiatrika izay fahavalo mety ho avy tampoka
–Miomana : olona feno fahavononana amin’ny fahatongavan’ny Tompo. Toy ny miandry fa efa akaiky dia akaiky ny fahatongavany, ka tsy varimbariana sy revorevo amin-java-tsy ahitan-tsoa!
2-Aoka tsy hanao kitoatoa
Ny toetry ny olona manao kitoatoa ihany koa no ambaran’i Jesoa eto ka hampitandremany antsika amin’izao andro izao . Ny mpanompo ratsy fanahy, hoy Izy eto:
–Mikapoka namana : Mihevitra fa mbola ho ela ny fiavian’iJesoa ka manao izay hahavoa sy handavo ny namana
–Mihinana sy misotro : Variana amin’ny fimamoana sy ny filibana amin’izao fiainana izao
3-Aoka hahatsiaro fa misy valiny ny atao
Ny mpanompo mahatoky dia hotendreny ho amin ‘ny fiainana mandrakizay .Ny mpanompo ratsy fanahy kosa dia ariany any amin’ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
Fanontaniana :
Inona Izany no tokony hatao eo am-piandrasana ny fotoana hiavian ‘ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM