Matio 18.21-35

Mahaiza mamela heloka

1. Aza ferana ny famelan-keloka

Fanontaniana toa mila valiny tsy voafaritra teto no napetrak’i Petera tamin’i Jesoa, izay nanehoany mazava ny heviny manoloana ny famelan-keloka, toa te-hilaza Petera hoe: ampy ny im-pito (7) mba hamelako ny rahalahiko izay nanota tamiko. lo valin-tenin’i Petera io dia manambara fa voafetra ny olombelona (and 21). Teny sarotra nefa tsy maintsy ankatoavina ny valiteny nomen’i Jesoa « tsy misy fetra ny famelan-keloka ». Fantantsika koa ry havana fa ny nahatongavan’i Jesoa teto an-tany dia ny hamonjy sy hanafaka ny olona amin’ny fahotana ao anatin’izany ny famelan-keloka, satria io no efitra mampisaraka antsika amin’ Andriamanitra (Isa 59. 1-2). Tsarovy fa ny famelan-keloka dia manome fiadanana sy fahazavam-po, fa ny tsy famelan-keloka dia miteraka vesatra sy aretina. Tsy misy fetra ry havana ny famelan-keloka.

2. Famelan-keloka vokatry ny fitiavana

Fanoharana no ambaran’i Jesoa eto. Ny mpanjaka dia maneho an’Andriamanitra, ary mpanompo tsy manan-kaloa dia isika olombelona bokan’ny trosan’ny fahotana. Tsarovy anefa fa Andriamanitra dia mahari-po amintsika mandrakariva. Onena sy manome ny mahasoa antsika. Mijery antsika amin’ny masom-pitiavany izay feno indrafo lehibe. Amin’izao fanoharana izao no itarafana ny hatsaran’Andriamanitra sy ny Fitiavany izay ao amin’i Jesoa Kristy. Dia Izy ilay Mpamonjy mora azo, manome maimaimpoana ny fitiavana tsy misy tambiny. Mety ho sarotra ny mamela heloka, kanefa rehefa mibanjina ny famonjena nataon’i Kristy tamintsika isika dia mora tanterahina izany. Ataovy amin’ny fitiavana ny famelanao ny hafa. Toetra hamantarana ny maha mpianatry ny Tompo antsika ihany koa ny fifankatiavana. (vakio Jaona 13.35).

Fanontaniana:

Inona no antony mahatonga ny olona ankehitriny tsy hifamela heloka?

Sampana Sekoly Alahady Foibe