Jaona 13. 31 – 35
Izay mankalaza ny Mpamonjy…
Jesoa Kristy rehefa avy nanasa ny tongotry ny mpianatra dia niara- nisakafo tamin’izy ireo ary dia nanambara ny fisian’ny mpianatra izay hamadika Azy dia i Jodasy izany. Rehefa nandao io fiarahana io i Jodasy dia nanome toromarika ho an’ny tena mpianatra marina i Jesoa Mpamonjy.
1- Mihavao amin’ny toetra
Naningana tamin’ireo mpianatra nofidiana i Jodasy. Nivadika, namadika Ilay niantso sy nifidy azy, tsy nihavao tamin’ny toetrany. Manoloana izany dia nitaona ny mpianatra mba hihavao i Jesoa Kristy, hihavao mba ho mpianatra marina afaka mankalaza ny Mpamonjy. Andriamanitra Rainy dia mankalaza Azy hatrany amin’ny asa. Fa tarihina ihany koa ny olona akaiky an’i Jesoa Kristy, mahita ny asany, mahatsapa ny fitiavany dia tokony hankalaza Azy mandrakariva.
2-Mihavao amin’ny fifankatiavana
Niala tamin’ny fiombonana i Jodasy, niaina tamin’ny fitiavan-tena ka namadika Ilay Mpampianatra nifidy azy. Endriky ny fizaran’ny mpianatra ny fisian’ny anankiray mandao ny fiombonana noho ny fitiavan-tena. Mananatra sy mitaona ny mpianatra noho izany i Jesoa Kristy, mba ho fitandrovana ny fifankatiavana. Notiavin’i Jesoa Kristy tamin’ny fitiavana madio tsy mila tambiny izy ireo ka tokony hifankatia, izany no mampiavaka ny tena mpianany. Ny mpianatra mifankatia no afaka hankalaza ilay Mpamonjy azy eo amin’ny fiainana manontolo.
Fanontaniana:
Nahoana misy olona voafidy kanefa tsy mihavao ny toetrany fa mitoetra amin ‘ny faharatsiana hatrany?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM