ISAIA 42.5-9
Andriamanitra Mpahary
1-Mampanantena fanafahana (and7)
Babo tany Babylona ny vahoaka Jiosy .Nalahelo sy kivy ary very fanantenana satria rava ny tanàna tany Jerosalema sy manda eo ambany fahefan’ny Jentilisa izy ireo izay toa milaza fa mahery ny andriamanitry ny Babyloniana.Manoloana izany , tsy nangina Andriamanitra ka nampahatsiahy fa managaka amin’ny olana sy ny karazana olana samihafa Izy . Mitondra famonjena ho an’ny olona izay ao anatin’ny alahelo Andriamanitra , indrindra ny olom-boafidiny .Manoloana ny olana sy fahasahiranana ary ny ady atrehanao dia tsarovy fa mitondra fanafahana sy famonjena amin’ireny Andriamanitra .Aza kivy , aza ketraka fa mampanantena fanafahana ho anao amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Andriamanitra .
2-Manambara ny tenany (and8)
Manoloana ny danahian’ny vahoaka ny herin’Andriamanitra dia nampahafantatra ny anarany tamin’ny Jiosy izay any am-pahababoana indray Izy . Jehovah no Anarany .Anarana izaymanambara ny fahefana sy ny maha mandrakizay Azy izany .Ny fanononany izany anarany izany no antoka omeny amin’ny fahatanterahan’ny fampanantenana nataony .Manoloana izany , tsy maintsy tanteraka ny teny rehetra nampanantenain’Andriamanitra , satria Azy ny fahefana rehetra , ary efa nambaran’i Jesoa Kristy ihany koa izany mba hahatonga ny mpino hanana toky fa tsy maintsy tanteraka ny teny nambarany .Koa ny tanjon’Andriamanitra amin’ny fanambaran-tena ataony dia mba hahatonga ny vahoaka voafidiny hatoky Azy .Koa matokia Azy fa hanavao ny fiainanao Izy .
Fanontaniana :
Ahoana ny finoanao ny teny fampanantenana voalaza amin’ny Soratra Masina ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM