JAONA 4.19-24
Ny tena fivavahana marina
1-Tsy voafetra ho amin’ny toerana tokana
Nandritra ny fotoana ela no ninoan’ny Jiosy fa misy ny toerana voatokana hivavahana sy hihaonana amin’Andriamanitra . Anisan’ny nalaza tamin’izany ny Tempoly sy ny tendrombohitra masina .Ny Jiosy dia nino fa any an-tendrombohitra Ziona , any Jodia no tokony hivavahana Aminy . Ny Samaritana koa dia nihevitra fa any an-tendrombohitra Gerizima any Samaria no tokony hivavahana sy hihonana amin’Andriamanitra.Ambaran’i Jesoa fa tsy ny toerana ivavahana no zava-dehibe fa ny fomba sy ny toe-panahy entina manatanteraka azy .Hoy i Jesoa : »… fa avy ny andro ka tsy amin’ity tendrombohitra ity na any Jerosalema aza no ivavahanareo amin’ny Ray ... »(and21) . Na aiza na aiza no iantsoana Azy dia manatrika antsika feno Andriamanitra .
2-Vavaka atao amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina
« Andriamanitra dia Fanahy , ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana » (and24).Ny tena mpivavaka marina dia izay manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina amin’ny fivavahana izay ataony , ka mifantoka tanteraka amin’ny fankalazana an’ Andriamanitra am-panahy sy araka ny fahamarinana , izany hoe: amin’ny fahatsoram-po .Matetika ny fombafombam-pivavahana no hanadinoan’ny olona ny tena vontoatiny , dia ny finoana ny fanatrehan’Andriamanitra .Ny olona tena mivavaka dia tsy maintsy mino ny fanatrehany .Ny olona tena mivavaka dia tsy maintsy mino ny fanatrehany , raha vao miantso Azy ary izany finoana izany no mitarika azy ho amin’ny fabomezamboninahitra sy ny fanajana Azy . »Fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mamaly soa izay mazoto mitady Azy… » (Heb 11.6)
Fanontaniana :
Raha izany , nahoana no lazaina fa tena ilaina ny fankanesana any am-piangonana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM