LIOKA 23.39-43
Aoka ho fantatsika
1-Fa tsy maintsy mandray ny valin’asany ny olona rehetra

« Ary marina ny hanamelohany antsika , satria mandray ny valin’ny nataontsika isika » (and41) . Fahamarinana izany , tsy maintsy misy valiny ny atao rehetra .Tsara atao mivaly tsara , ratsy atao mivaly ratsy . Jiolahy ny asan’izy roalahy ireto dia tsy maintsy voasazy , ka na dia afaka amin’ny làlan’ny tany aza dia tsy afaka miala amin’ny fitsaran’Andriamanitra . Ry havana , izany no maha-Andriamanitra marina ny Andriamanintsika .
2-Raha mibebaka kosa dia mahazo ny fiainana mandrakizay

« Dia hoy i Jesoa taminy : lazaiko aminao marina tokoa , anio no hihaonanao amiko any Paradisa » (and 43).Jiolahy no asany , olon-dratsy , kanefa ora vitsy alohan’ny nahafatesany dia nahazo ny paradisa , satria nanetry tena , nibebaka tamin’ny fahotany . Na rariny amin’olombelona izany na tsy rariny dia izay no fahamarinana. Ny fialana amin’ny ratsy atao ka tsy mamerina izany intsony no takiana , dia azo antoka ny paradisa . Tsy midika ho fangatahana andro kosa anefa izany ka hanao hoe : « andeha aloha hangataka andro fa rehefa akaiky ho faty vao hibebaka » . Hoy ny Soratra Masina hoe : « Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa » Romana 8.1
Fanontaniana :
Fantatsika tsara fa tonga amin’ny fotoana tsy ampoizina ny fahafatesana . Noho izany , efa nibebahantsika avokoa ve izay ratsy nataontsika rehetra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM