Sal 19.7-9 / Hira 547 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 645,4

« Gaga » tamin’ny finoan’ity kapiteny romana ity i JESOA; ary mariho fa indroa ihany i JESOA no voatantaran’ny Filazantsara fa gaga toy izany: eto ny iray, ary ao amin’ny Mar.6,6 ny iray. Fa inona no nahagaga an’i JESOA tamin’ity kapiteny romana ity?

Kapiteny romana, nanam-boninahitra sy fahefana, izy nefa dia niteny hoe: « na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao« (and.7). Ary tena fieritreritra izany amin’izao androntsika tsy ahaizan’ny maro manetry tena izao!

Na amintsika ankehitriny aza, dia toy ny mbola hoe ny Mpiandry tonga eo, dia miasa amin’ilay marary ihany no mbola anantenantsika fa hahasitrana azy. Ity kapiteny ity kosa nino fa, na tsy manatrika eo aza i JESOA, miteny fotsiny Izy dia ampy hahasitrana ilay marariny! Izany hoe: manao fanasitranana avy ilavitra! Izy anefa, tsy Jiosy fa Romana, jentilisa! « Mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.« , hoy izy.

Mba mety ho gaga amin’ny finoako sy ny finoanao toy izany kou ve i JESOA?