Sal 146.1-4 / Hira 167 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 731
Isaia 43.1-7
Olom-boaantson’ Andriamanitra ny mpino:
1- Aza matahotra
Averimberin’ny mpanoratra eto amin’izao mofonaina izao ny teny hoe « aza matahotra ». Fantatr’Andriamanitra fa mety ho tonga amintsika ny tahotra, kanefa tsy tokony hatahotra isika na iza na iza, satria Andriamanitra momba antsika, mamonjy antsika amin’ny fotoan-tsarotra, sady loharanom-piadanana. Izay tsy fisian’ny tahotra izay dia mifandray tokoa amin’ny fahatsiarovana ny fiombonana amin’Andriamanitra, fa hoy ny voasoratra hoe « Aza matahotra hianao fa efa nanavotra anao Aho. Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao » (and. Ib). Andriamanitra dia tsy manary na mandao ny mpanompony ao anatin’ny ady sarotra. Hery lehibe ho an’ny olom-boaantso ny fandrenesana ny Tenin’ny Tompo isanandro na aiza na aiza. Hoy Izy: « Aza matahotra! »
2- Homban’Andriamanitra ianao
Ambaran’ny Soratra Masina fa momba ny olom-boaantsony Andriamanitra. Tanteraka aminy tokoa izany, indrindra raha sendra ny sarotra tsy maintsy atrehina. Tanisain’ny mpanoratra eto ireo sehatra anehoan’Andriamanitra ny fombany: « raha mita ny rano », izay toa mampahatsiahy ny niampitana ny ranomasina mena sy ny ony Jordana (Eks 14.21-22; Jos 3. 14-17); « raha mandeha mamaky ny afo », ahatsiarovana ny tokin’i Daniela sy ny namany raha niatrika ny lafaoro misy afo mirehitra. Eo amin’izay noheverina fa hampihemotra na hahareraka ny olom-boaantso, dia momba ny mpanompony Andriamanitra. Noho izany dia matokia Azy amin’izay ady mafy tsy maintsy hatrehina, fa hoy Jesoa Kristy: « Indro Izaho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan ‘izao tontolo izao » (Mat 28.20)
Fanontaniana:
Inona avy ny tahotra efa nahazo anao, fony ianao nirahina hitory ny Filazantsara?
Sampana Sekoly Alahady Foibe