Sal 93 / Hira 201 :1,2,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 543 1,3

Isiraely babo, manantena ny famonjen’ Andriamanitra no ampaherezina eto amin’izao Soratra Masina izao. Izay miandry ny Tompo dia mandroso hery satria :

    Ambara eto fa Andriamanitra mahita ny zavatra rehetra, na ny miafina aza, amin’ny maha Mpahary Azy. Noho izany dia miharihary eo anatrehany ny fiainan’ny olona, indrindra ny fahoriana izay mianjady aminy any am-pahababoana. Nihevitra tokoa ireto vahoaka fa narian’ Andriamanitra. Voalaza eto anefa fa mandrakizay Izy, tsy miova amin’ny maha Andriamanitra Azy. Ahatsiarovana ny tamin’ny fanandevozana izay nilazan’ny Tompo hoe: « efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko izay any Egypta » (Eks. 3,7a). Koa matokia, fa hitan’ Andriamanitra ny ady izay atrehanao, aza kivy na very fanantenana fa aoka hibanjina ny fahalebiazan’ Andriamanitra satria tsy takatry ny saina tokoa ny fahalalany sy ny asany eo amin’ny fiainantsika vahoakany.

      Hery avy aiza no hiankinanao eo amin’ny fiainana?