Romana 5 :1-5
Mampianatra ny Kristiana i Paoly eto mba hanana fitiavana mandrakariva satria:
1- Efa vita fihavanana amin’ Andriamanitra

« Tamin’ny alalany no efa nahazoantsika fanatonana amin’ny finoana ho amin’izao fahasoavana itoerantsika izao » (and 2). Tamin’ny alalan’i Jesoa izay efa nampihavana ny olona tamin’ Andriamanitra no tiany lazaina eto. Noho izany, ny olona vita fihavanana amin’ Andriamanitra dia manana fiainana feno fifaliana mandrakariva satria mahatsiaro ny hasarobidin’ izany fifandraisana amin’ Andriamanitra izany, ary mahalala tsara koa fa zava-doza ny fahatapahan’ny fifandraisana Aminy. Koa ny fahaiza-mifaly dia maneho ny fahaiza-mankasitraka an’i Jesoa koa noho ny famonjena vitany sy nanolorany ny tenany ho antsika.Mampianatra ny Kristiana koa i Paoly mba hanana fitiavana mandrakariva satria:
2- Manana ny Fanahy Masina
« Ary tsy izany ihany fa aoka isika hifaly na amin’ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana… » (and. 3). Ny fahoriana miteraka faharetana ary mitondra mankamin’ny fanantenana, ary io fanantenana io dia ny Fanahy Masina ao anatin’ny mino no mamelona azy. Noho izany dia taomina kosa isika tsy hitanondrika na hamoy fo manoloana ny fahoriana, mety ho ny hasarotry ny fiainana Izany, mety ho olana saro-bahana eo anivon’ny tokantrano, mety ho fikorontanan’ny fanambadiana ary mety ho famoizana olo-malala ihany koa, kanefa ampianarina hifaly isika satria ny fisian’ireny dia mamelona fanantenana fa handresy ary ho tafavoaka hatrany ny mino. Mahereza ary, fa mahazo manantena fandresena isika satria vita fihavanana amin Andriamanitra ary manana fanantenana.
Fanontaniana:
Nahoana no tsy mahay mifaly amin’ny zavatra rehetra ny olona sasany?
Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM