MATIO 2.13-15
An’ny Tompo ny fanjakana
Tsy zakan’iHeroda ny nandre ny hahaterahan’Ilay Mpanjakan’ny Jiosy (Mat 2.3) .Nikasa hamono ny zaza izy .
1-Tsy mahasakana Azy ny fahefan’olombelona
Hery roa no mifanandrina dia ny fanjakan’i Heroda sy ny fanjakan’iMesia. Heroda lehibe dia nanjaka tamin’ny Jiosy tamin’izany fotoana izany .Nampihorohoro azy ny filazan’ny Magy fa hisy mpanjaka ho teraka .Nanapa-kevitra hampiasa ny hery sy ny fahefana rehetra nananany mba hamonoana ny zaza Mesia izy . Tsy manan-kery ho entina hanohitra izany filazan-dratsy izany i Josefa sy Maria , izay eo ambany fanapahany rahateo .Miditra an-tsehatra Andriamanitra ka maniraka ny anjeliny mba hiarovany ny fikasany hamonjy ny olona rehetra .Tsy voasakan’ny fanjakana sy ny fahefan’olombelona ny Filazantsara.
2-Araho ny toromarika omeny (and13)
Azon’Andriamanitra natao ny nanavotra an’i Jesoa zaza tamin’ny fomba hafa izay mety ho tsy takatry ny saina , saingy napetrany tamin’i Josefa ny andraikitra hiarovana ny zaza .Niseho taminy ny anjelin’ny Tompo ,ka nanoro làlana azy mba hiarovana an’i Jesoa zaza. Nanaraka an-tsakany sy andavany izay rehetra nambara taminy i Josefa .Nentina nandositra ho any amin’ny firenena jentilisa Jesoa .Toa hita taratra eto sahady ny fihitaran’ny fitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy mankany amin’ny firenena rehetra raha efa nandà tsy nandray Azy ny Jiosy izay nofidin’Andriamanitra .Anjarantsika fiangonana ny miaro sy mampiely ny Filazantsara ho fanitarana ny fanjakan’Andriamanitra .Ny fankatoavantsika ny Tenin’Andriamanitra no hery enti-mitory sy mandresy ny fahefan’ilay ratsy .
Fanontaniana:
Inona no andraikitry ny fiangonana eo anatrehan’ny fanjakana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM