OHABOLANA 8.12-21

 Ny zava-tsoa azo avy  amin’ny fahendrena

Ny  fanajana  ny Tompo  no  loharanom-pahendrena (Oha 9.10-DIEM) .Inona àry  ny  tombosoa azo avy  amin’ny fahendrena ?

1-Fisainana mazava (and12-14)

Ny olona manana fahendrena dia fetsy  sy  malina ,mahay mamolavola sy  mandahatra ny  zavatra rehetra ataony ,sady  mahay  mikaroka vahaolana.Ny  fahatahorana sy fanajana ny Tompo  no saina mitarika azy amin’izany.Ny  fifandraisan ’izany amin’izay iainantsika mpino  ankehitriny  dia izao : ny Tenin’Andriamanitra no fanilon’ny tongotra sy fanazavana ny làlantsika eo ambany  fitarihan’ny Fanahy masina .Ny  olona manaiky  ny  fitarihan’ny Fanahy Masina no hanana fisainana mazava.

2-Fahaiza-mitarika ( and15-16)

 Asehon’ny mpanoratra  eto ny  tombotsoa azon’ireo  mpitondra  sy manam-pahefana ny  fananana fahendrena no mampaharitra  ny fanjakan’ny  mpanjaka , hahafahan’ny  mpitondra manao  ny  asany  ara-drariny  , ifehezan’ireo  mpifehy  , ahafahan’ny  mpitsara sy ny loholona  mitsara  araka ny rariny  sy  ny hitsiny .Araka izany  dia tsy  ny fanaovana didy jadona sy ny  fampiasan-kery  no atao  hoe: fahaiza-mitondra fa ny fananana fahendrena .

3-Fanambinana (and17-21)

 Izay mikatsaka fahendrena dia hahita azy tokoa ary izay  manaraka azy  dia tiany  ka omeny  fanambinana be dia be .Anisan’izany  ny harena maharitra sy mateza ,ny  voninahitra (and18).Ambara eto fa izany  fanomezana izany dia tsara lavitra noho ny volamena sy ny volafotsy .Hoy I Jesoa:”Fa katsaho aloha ny fanjakany  sy ny fahamarinany , dia hanampy ho anareo  izany rehetra izany” (Mat 6.33)

Fanontaniana:

Mahadiso ny Kristiana ve raha mba maniry  hanakarena , na manana fikasana ho  mpitondra firenena izy ? Hazavao .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM