SALAMO 66.1-7

Tsarovy mandrakariva ny nanafahan’ny Tompo anao

1-Mihobia an’Andriamanitra ,mankalazà ny voninahitry ny anarany » (and1-2). Ity Salamo faha-66 dia isan’ny fahatsiarovana ny fivoahana tany Egypta ,ny fiampitana ny ranomasina mena ,ny nanamontsanan’Andriamanitra ny fahavalo ,mpampahory ny vahoakany .Manoloana izany dia ilaina ny mihoby sy mankalaza ny Tompo .Ny hoby dia hiakam-piderana hanomezam-boninahitra ny Tompo ,oharina amin’ny mpilalao fanatanjahantena izay tojo ny tanjona iriany ka tsy tana fa maneho hiakam-pifaliana .Hobio ny Tomponao .

2-Ambarao ny heriny

« ny fahalehibiazan’ny herinao no hikoizan’ny fahavalonao Anao  » (and3) .Tsy voatanisa ireo fanehoan-kery nasehon’Andriamanitra ny mpanompony : ny nanaovany ny ranomasina ho tonga tany maina nandehanan’ny olony , ny fiasany tamin’ny liona moana saika hitelina ny mpanompony , ny lafaoro mahamay nafanaina impito avo heny izay tsy nampaninona ny olony ,ny nandresena ireo firenena maro sy nidirana tany Kanana, niampita amin’ny fananganana ny maty , fanasitranana ireo marary,nampitenenany ny moana ,nampahiratany ny jamba … Ary anisan’izany ny nanavotany anao ,ny famindrampony ka nanomezany tombonandro vaovao indray . Ambarao ny heriny ary sahia mijoro vavolombelona .

Fanontaniana:

Inona avy ny fanavotana efa nataon’ny Tompo taminao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM