Salamo 91. 1 – 16

Fahasambarana feno sy azo antoka nomen’Andriamanitra ny olona tena tia Azy Ity Salamo ity dia toy ny tsodrano nataon’ny mpitondra fivavahana tamin ‘izany. Manambara ny fahasambarana feno sy azo antoka omen’Andriamanitra ny olony tena tia Azy amin’ny fo manontolo.Misy karazan-pahasambarana maro eto amin’izao tontolo izao , kanefa tsy feno ary tsy azo antoka fa mandiso fanantenana.Fa izay omen’Andriamanitra kosa dia feno sy azo antoka aok’izany.Toy ny hoe: manafaka amin’ny fandrika ataon’ny fahavalo Izy. Ny fahavalo izay maneho zava-tsoa hay tena mampidi-doza.Miaro amin’ny areti-mandringana, loza voajanahary sy loza miseho tampoka ihany koa Andriamanitra.Na dia mihatra eo amin’ny fiaraha-monina aza ny loza, ny olona tena tia an’Andriamanitra kosa ataony miavaka. Ny anjely no iraka hiambina azy. Raha mivavaka izy dia henoin’Andriamanitra ary mitafy voninahitra aok’izany. Eny, voky andro ho ela velona aza izy.

Azo lazaina fa lafatra ny fahasambaran’ny olon’Andriamanitra satria fahasoavana mitafotafo izany.

Fanontaniana:

Mahasahy miteny hoe sambatra ve ianao amin ‘ny fiarahanao amin ‘ny Tompo?