Lioka 12. 4-16

Manamasina ny tenany ny mpino

1- Aza matahotra

Manomboka eo and 4-12 no ampaherezana ny mpianatra mba hanana tahotra. Inona moa no resahina amin’izany? Avahan’i Jesoa tsara ny tahotra mamatotra ny olona sy ny tahotra izay manafaka azy. Mamatotra ny olona ny tahotra satria misy hery hafa izay tonga ao aminy ka manjàka sy matanjaka noho ny hery ananany. Izany hoe ny herin’ny satana no mifehy azy, hany ka tahotra sy horohoro no iainany. Fa ny tahotra manafaka azy kosa dia ny fanekena, ny fankatoavana ny fiandrianan’ Andriamanitra sy ny fahamasinany, mihoatra lavitra noho ny manam-pahefana izay hanary any amin’ny helo. Ry havana, aza matahotra àry isika satria efa nofidiny sy nohamasininy ho Azy, kanefa aoka hitoetra amin’ny fahatokiana mandrakariva mba ho tena mpino tokoa.

2- Matokia Azy

Na eo aza ny fanenjehana izay ataon’ny manam-pahefana noho ny tsy fanekena ny fahefana izay nomena ny mpanara-dia an’i Jesoa, ny mpanoratra ny Filazantsara dia mamporisika antsika hahatoky an’Andriamanitra hatrany izay miahy sy tompon’izao rehetra izao. Izao no voalaza: « Tsy eranambatry va no vidin’ny tsitsina dimy? Nefa tsy misy hadinoiny eo anatrehan’Andriamanitra ireny na dia iray akory aza. » (and 6). Matokia azy fa mihoatra noho ny tsitsina isika; tsarovy fa sakaizany isika, fa tsy mpanompo. Akaiky an’Andriamanitra fa tsy lavitra akory; aza matahotra.

Fanontaniana:

Mby aiza ny fahatahoranao an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe