1 Korintiana 14.12-19

Raha misy fikasàna ao anatinao!

« Ary toy izany ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra.» (and.12)

1. Fantaro izay antom-panaovana izany

Ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina no azo andikana ny teny hoe zava-panahy eto. Iza moa no tsy maniry hanana izany, eny tsy vitsy no mangataka izany isika. Fa inona no antony angatahantsika izany? inona no manosika antsika hanao izany? Sao sanatria mba ahazoantsika dera sy laza eo imason’ny olona? Tsarovy fa isika amin’izay ataontsika sy angatahintsika dia tsy ho antsika fa noho isika novonjen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy Jesoa.

2. Izay mampandroso ihany no aoka atao

Ny atao hoe Fiangonana dia tsy ny vatan-trano ihany fa izay olona mino rehetra ao amin’izany. koa raha misy fikasana na fanaovana amin’izay ataontsika dia izay hampandroso ny fiangonana amin’ny finoana no aoka hotadiavina sy katsahintsika ka hananatsika be dia be. Fa voalaza fa zarazaraina ho samihafa ny fanomezam-pahasoavana, fa ireny dia natolotra indrindra ho fampandrosoana fa tsy hampiavaka sy ireharehantsika izay manana azy.

Fanontaniana:

Tanisao ireo fanomezam-pahasoavana mampandroso hitanao ao amin’ny fiangonana misy anao

Sampana Sekoly Alahady Foibe