HOSEA 6.1-3

«  Andeha hiverina amin’i Jehovah isika » (Hos6.1a) . Nisy ny didy nivoaka izay nilaza fa ao anatin’ny telopolo andro dia tsy misy mahazo mivavaka afa-tsy amin’i Dariosa mpanjaka ihany .Izay mandika izany dia atsipy any an-davaky ny liona . I Daniela kosa nanohy nivavaka tamin’i Jehovah intelo isanandro hatrany .Vokatr’izany dia nosaziana izy ka natsipy tao an-davaky ny liona .Velona ny Tompo ka tsy namela an’i Daniela ho faty . Jesoa velona dia mampandresy antsika manoloana ilay liona mierona mitady izay harapaka sady mamaha ny olana rehetra .

2-Maharitra mandrakizay

Tsy manam-petra ny Tompontsika fa maharitra mandrakizay .Nanamafy izay i Jesoa Kristy ka nambarany fa Izy no Alfa sy Omega ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy (Apo 1.8) .Mbola tsy teraka i Abrahama dia efa teo Izy .

3-Mamonjy sy manafaka

« Izy no mamonjy sy manafaka «  (Dan 6.28a) . Niaiky i Dariosa mpanjaka araka ny hitan’ny maso fa hain’ny Tompo ny mamonjy sy manafaka ny mpanompony izay mandalo fotoan-tsarotra .Jesoa Kristy lay nanangana an’i Lazarosy sady nandresy ny fahafatesana no Mpamonjy antsika .

4-Manome fanambinana

« Ary izany Daniela izany dia nambinina tamin’ny nanjakan’i Dariosa sy tamin’ny nanjakan’i Kyrosy Persiana «  (and29) .Nomena andraikitra miavaka i Daniela izay tonga olona ambony sy manan-kaja ary manam-pahefana .Voasoratra fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezantsika aina ao amin’ny Tompo (1Kor15.58) . Sahia àry mandray andraikitra !

Fanontaniana :

Tanisao ireo toetra mampiavaka ny Tompontsika .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM