Isaia 40.1-8

Manavotra ny olony Andriamanitra. Misy antony avokoa izay zavatra rehetra avelan’Andriamanitra hiseho eo amin’ny fiainan’ny vahoakany. Matetika dia mikendry fampiverenana Aminy no anton’ny fahoriana izay mianjady.

1- Mampitondra teny fampiononana Izy.

Raha mbola tany am-pahababoana ny vahoakan’i Israely dia nahatsapa ny hamafin’ny fahoriana sy ny famaizan Andriamanitra. Mety nisy namoy fo aza, nefa tao koa ireo izay nitalaho famindrampo sy fanavotana avy Aminy. Tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra, ka rehefa miverina Aminy ny olony dia indro Izy mampitondra teny fampiononana ho azy, izay manambara famonjena sy fitahiana lehibe. « Ampionony , ampionony ny oloko, hoy Andriamanitrareo » (and.2). Raha tojo- zava-tsarotra sy manahirana isika dia tsarovy fa Jesoa Kristy irery ihany no Mpamonjy antsika, ka izay rehetra mitalaho sy miverina Aminy dia hahazo famonjena sy fampiononana. Ambaran’ny Soratra Masina rahateo fa « Andriamanitry ny fampiononana rehetra » no iantsoana an’ Andriamanitra Ray (2Kor 1.3).

2- Maneho ny voninahiny Izy (and.5)

Rehefa miverina amin’ Andriamanitra ny isika dia tonga kosa lzy ka maneho ny voninahiny. Amin’izany, ny efitra sy ny tany foana izay noheverina ho toerana maneho ny famaizan’Andriamanitra hatrizay dia lasa toerana ahitana Azy sy handraisana ny famonjena avy Aminy. Nahita izany voninahitr’ Andriamanitra izany ny Israely tamin’ny nanavotany Azy tany Babylona. Fa isika koa dia mahita izany noho ny finoana ny asam- -panavotana nataony ho antsika tao amin’i Jesoa Kristy; izay nandreseny ny fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana. Ary mbola hahita mihoatra noho izany aza isika amin’ ny fiverenan’i Kristy amim-boninahitra indray.

Fanontaniana:

Inona no takiana amintsika manoloana ny. fahantran ‘ny firenena?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM