JEREMIA 26.8-15
1-Miteraka fanamelohana ho an’ny tena ny fahasahiana milaza ny hafatr’Andriamanitra
Antsoina sy tondroina ho mpaminany ireo iraka samihafa voatendry hiteny amin’ny Anaran’Andriamanitra ary raha ny marina dia tsy tena natao ho mpanambara fotsiny ny zavatra mbola ho avy araka ny fiheveran’ny maro akory izy ireny .Mety hanambara ny ho avy ihany anefa izy ireny raha azony avy tamin’Andriamanitra izany .Mandrakariva dia mifanohitra ny hevitry ny olona sy ny an’Andriamanitra (Isaia 55.8) ka tsy maintsy halan’ny olona izay misolo vava an’Andriamanitra tokoa. Izany indrindra no nanjo an’i Jeremia amin’ny maha- mpisolo vava an’Andriamanitra azy dia manambara mahitsy ny hafatr’Andriamanitra izy , kanefa tsy izay nolazainy no nandrasan’ny olona , hany ka tonga hifofo ny ainy ireto olona ireto .
2-Nitaona ny olona hihevitra ny ataony hatrany izy
Na dia izany aza no nanjo azy teo anatrehan’ny olona dia tsy nihemotra velively akory izy .Nanaiky izay mety hataon’ny olona aminy izy , saingy tsy niova akory ny teniny amin’ny maha-mpaminany misolo vava an’Andriamanitra azy . Araka izany ,taominy hatrany ireto olona ireto mba hanan-tahotra tanteraka an’Andriamanitra ka hihevitra izay rehetra ataony sy izay alehany .Mila mandanjalanja izany ny olona ka hanontany hoe : manao ahoana izy eo anatrehan’Andriamanitra ? Raha mahafantatra tokoa ny faharatsiany izy dia tokony hibebaka sy hifona eo anatrehan’Andriamanitra . Ampahafantarin’i Jeremia mantsy fa tena tia sy antra ny olony io Andriamanitra ka hanenenany izay loza tokony hataony amin’ny olona raha miverina Aminy ny olona .
Fanontaniana:
Mandeha ho azy ve ny fitondrana ny Tenin’Andriamanitra ? Iza no tokony hatahoran’ny mpaminany : Andriamanitra sa ny olona ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM