LIOKA 12.13-21
Valiteny nataon’i Jesoa Kristy tamin’ny fiangaviana nataon’ity lehilahy iray hananatra ny rahalahiny ny amin’ny fizarana lova .
1-Tsy azo ianteherana ny harena
Hoy ny and 15 « fa ny ain’olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany ». Miady lova ny olona ,te-hanana zava-tsoa ,ny harena eto an-tany .Misy tokoa sokajin’olona tena variana amin’izany ka mahatonga ady ao anatin’ny fianakaviana rehefa misy fizarana tsy mitovy na tsy mahazo anjara araka ny fijery maha-olona .Mazava tsara anefa ny fanoharana nataon’i Jesoa Kristy eto fa na dia manana harena be dia be aza ny olona , manana vokatra mahafeno trano , rehefa tonga ny fahafatesana tsy mahavonjy azy ny harena , ary tsy mahatondra na inona na inona rehefa miala amin’ity tany ity .
2-Andriamanitra no tena harena