ROMANA 15.7-12
Toe-panahy entina miandry ny Tompo
“ Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo koa ho Voninahitr’Andriamanitra “ (and7)
1-Manaiky fa efa novonjeny
Mety hanontany tena isika hoe: tahaka ny ahoana tokoa ny nandraisan’i Kristy ahy mba hahafahako mandray ny hafa? Ny valin’izany fanontaniana izany dia izao : « Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika fa fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika Kristy » (Rom 5.8) . Isika feno fahotana sy faharatsiana no noraisin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny zanany mpamonjy antsika .Tsy izay mety ho fahatsarantsika na izay mety ataontsika hoe : voninahitra no handraisany antsika . Ny marina dia ny maha-tsinontsinona antsika mihitsy no nandraisany antsika mba hanana ny toerantsika isika eo amin’ny toerana misy antsika . Hoy ihany I Paoly :” dia izaho , izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika no mpampahory kanefa nahazo famindrampo aho …” 1 Tim 1.13) .vakio koa (Efes 3.8).
2-Manaiky hifandray amin’ny hafa
Tahaka ny nandraisan’ny Tompo ahy sy ianao no tokony hifandraisantsika . Ianao izay tsinontsinona sy mpanota no noraisiny, dia aoka isika tsy hanilika ny namantsika noho izay fahalemeny fa handray azy . Ary tsy hoe: handray azy fotsiny fa hitondra azy eo amin’I Kristy Jesoa . Fa raha nandray antsika I Jesoa dia tsy nanala antsika tao amin’ny fahotana fotsiny fa nitondra antsika ao amin’ny fiainam-pamonjena . “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako”( Jao 14.6) . Ny fifandraisantsika amin’ny namantsika , eny na ny fahavalontsika aza no mariky ny maha-zanak’Andriamanitra antsika “mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo… ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina” (Mat 5.45)
Fanontaniana :
Nahoana isika no asaina mifandray amin’ny olona rehetra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM