Hebreo 9. 1 – 10


Ny fomba hahazoana famelan-keloka


1- Mila mpanalalana amin’Andriamanitra

« Fa ny faharoa kosa nidiran’ny mpisorona be irery, indray mandeha isan-taona… tsy miditra raha tsy mitondra rà… » (and 7). Tao amin’ny Tabernakely dia nisy ilay fitoerana masina izay ny Mpisorona irery no mahazo miditra ao. Fa ao amin’ny faharoa kosa misy ny toerana masina indindra izay ny Mpisoronabe irery no mahazo miditra ao indray mandeha isan-taona mitondra ràm-biby novonoina mba hisolo heloka ilay mpanota. Ankehitriny, Jesoa no ilay Mpisoronabe manalalana antsika amin’Andriamanitra, ary ny ràny nalatsany no rà nahazoantsika famelan-keloka. Ary ny tena mahafaly indrindra dia tsy ny mpisorona be irery intsony no mahazo manantona an’Andriamanitra fa efa ny olona rehetra izao no mahazo manantona azy.


2- Dia tsy amin’ny fanaovana fanatitra omena an’Andriamannitra
« Ary araka izany no hanaterana sy hanomezana fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin’ny fieritreretana » (and 9). Midika izany fa tsy ampy ahazoana famelan-keloka ny fanatitra sy fanomezana an’Andriamanitra fa ny fieken-keloka, avy eo mirotsaka manadio ilay olona ny ràn’i Jesoa Kristy. Izay no hahazoana ny famelan-keloka. Noho izany, tsy afaka mihevitra isika fa rehefa manolotra ho Azy dia azo ny famelan-keloka. Tsy azo sandaina ny famelan-keloka omen’i Jesoa antsika, tsy voavidintsika rahateo kanefa omeny maimaim-poana rehefa miaiky fahotana isika.

Fanontaniana
Efa nohamoraina ny ahazoana famelan-keloka, koa efa azonao ve izany ary ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM