LIOKA 21.10-18
MITSENA NY TOMPO ANATY TONTOLO MIKORONTANA
Izao mofonaina izao dia mampahatsiaro antsika ny toetry ny fiaraha-monina miandry ny fiavian’ny Tompo. Rehefa tena dinihina dia ireto izany toetra izany :
Fiaraha-monina mifamely : ady etsy sy eroa. Fiaraha-monina mikorontana : tontolo iainana mihapotika , aretina mihamaro sady tena mandringana tokoa. Fiaraha-monina mahery setra amin’ireo izay manara-dia an’i Jesoa Kristy. Fiaraha-monina ahitana fianakaviana mikorontana sy rava : mifanolotra sy mifamono ny mpianakavy. Ao anatin’izany tontolo izao no miandry ny fiavian’ny Tompo ny mino ka nilazan’i Jesoa taminy fa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray aza eo amin’ny lohany. Teny fampaherezana ho an’ny mino izany satria :
1. Jesoa no hanolo-tsaina (and 15)
“Fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon’ny fahavalonareo rehetra valiana na resena”.Ampiomanin’i Jesoa ny Mpianatra, ny Kristianina amin’ny ankapobeny fa hiaina anaty tontolo sarotra, hiaina anaty fiaraha-monina mikorontana tokoa, hiaina eto amin’izao tontolo izao izay be fahoriana. Mety tena ho sahirana izy miaina anatin’izany kanefa omen’ny Tompo tolo-tsaina mba hahay hiaina anatin’izany rehetra izany. tsy avela irery miatrika izany fa tena ho mpanolo-tsaina hendry azy Andriamanitra. Raha miandry ny Tompo isika araka izany dia miandry Azy anaty fiaraha-monina manahirana kanefa hanam-pahendrena tokoa noho Izy miara-monina amintsika sy manolo-tsaina antsika.
2. Jesoa no hiaro (and 18)
“Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin’ny lohanareo aza”.Teny malaza anisan’ny hahatsiarovan’ny mino an’i Jesoa ny hoe: “indro, Izaho, momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” Mat 28. 20. Ny maha-tanteraka ny hoe: tsy hisy singam-bolo hisy ho very dia noho ny fanatanterahan’i Jesoa io teniny io. Raha tsy eo io fomban’i Jesoa io dia tsy ho marina velively izany. Soa fa Andriamanitra sady miteny Jesoa no manatanteraka, hainy tanterahina avokoa izay rehetra nolazainy, manana hery sy fahefana manatanteraka izany rahateo Izy. Raha miandry ny fiavian’ny Tompo isika, na dia mikorontana sy mampatahotra tokoa aza ny zava-misy, na dia feno fahoriana tokoa aza eto amin’izao tontolo izao, mitoetra ho matoky ny mino, ary miandry ny Tompo amin’ny fo tony sy saina milamina. Manana fo tony sy saina milamina izy noho izy mahalala fa miaro Azy Andriamanitra, momba Azy Jesoa, manolo-tsaina hendry azy ny Fanahy Masina. Amena
Barinarivo Rajosoa Mpitandrina